Medical Missions Outreach (MMO) : Maherin’ny 3 000 ireo nisitraka fitsaboana

Miantsehatra mivantana eny anivon’ny fiarahamonina ny Medical Missions Outreach (MMO) mandray an-tanana ny fitsaboana. Maro ireo liana amin’ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana.

Manatanteraka fitsaboana maimaimpoana eto Antananarivo ny Medi­cal Missions Outreach (MMO). Nitsidika ny toerana nandraisana ny hetsika ny lefitry ny masoivoho amerikanina, i Stephanie Arnold, sy ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy ny kolontsaina, i Craig Ferguson. Hatramin’ny alatsinainy teo, marary mihoatra ny 3 000 isa no nisitraka fitsaboana maimaimpoana, toy ny fi­tsaboana nify, fitiliana maso sy fandraisana an-tànana ara-pahasalama samihafa, nentin’ ny ekipa mpitsabo avy amin’
ny MMO sy mpitsabo avy eto an-toerana. Mpiasan’ny fahasalamana miisa 35, avy amin’
ny fanjakana amerikanina, no tonga nanolo-tanana sy niara-nisalahy tamin’ireo mpitsabo sy tomponandraiki-panjakana ary mpitondra fivavahana. Hahafahana mitsabo ireo vondrom-piarahamonina marefo sy tena sahirana ity natao ity.
Tamin’ity taona ity fotsiny, efa nandefa mpilatsaka an-tsitrapo miisa 541 tamin’ny firenena miisa 11 ny MMO. Ma­he­rin’ny 22 000 ny marary ni­sitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Mane­ho ny lanjan’ny fifandraisana mivantana eo amin’ny asa an-tsitrapo sy ny vokatsoa entiny ny hetsika. Taratry ny fanamafisina ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ihany koa izany. Andrandrain’ny fiarahamonina eny ifotony ny fisian’ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka toy izao. Mbola tena manao ho zava-dehibe ny fijoroan’ireo dokotera teratany vahiny ihany koa ny olona eny amin’ny fiarahamonina ka maneho fahavononana hitsabo tena.
Maro ireo tsy afaka manatona tobim-pahasalamana izay lasa sakana amin’ny fi­tsa­boana noho ny antony maro, toy ny tahotra sy fisalasana, ny tsy fisian’ny vola, ny vidim-panafody.

Tatiana A

Partager sur: