Minisitera enina sy ny Unicef : Zatovovavy 200 tohanana hahaleo tena

Nisongadina taorian’ny fa­nadihadiana natao fa maro ny zatovovavy miala an-daharana any an-tsekoly. “Mahatra­tra 5 000 izany ho an’ny distrikan’i Vondrozo manokana”, hoy ny talem-paritry ny Fana­beazam-pirenena ho an’ny fa­ritra Atsimo Atsinanana, Rafalimanana Ruffin Angelo. Ho fanarenana izany, misy ny hetsika iarahana miasa amin’ny minisitera maromaro: Fa­nabeazana, Rano, Fahasala­mam-bahoaka, Fampianarana teknika, Tanora, ho fampahaleovantena ny zatovovavy. Omena ireto farany ny fahalalana sy ny fahaiza-manao aha­­fanany mamolavola vi­nam-piainana aorian’ny fiofanana azony. Tanterahina amin’ny kaominina 18, anatin’ny distrikan’i Vondrozo, ny tetikasa ary mahasahana zatovovavy niala an-tsekoly 5 154 ary anki­zivavy mpianatra 1 600, tohanan’ny Unicef.
Ho an’ny efatra andro, za­tovovavy 100 niala an-daharana sy mpianatra 100 hafa no misitraka fifampizarana amin’ ny sehatra efatra miavaka. Ampianarina hahafantatra ny te­nany sy ny talentany izy hi­tondra azy amin’ny sehatrasa mifanaraka amin’ny tanjony. Omena fahalalana koa izy ireo momba ny fahadiovana mandritra ny fadim-bolana ary ny fisorohana ny vohoka aloha loatra. Mampiavaka ny hetsika koa ny tafa mivantana amin’ny vehivavy fakan-tahaka valo izay samy efa mahaleo tena ara-pivelomana na teo aza ny sedra samihafa nolalovan’izy ireo.

Vonjy

Partager sur: