« Nampiavaka ny sehatra ho an’ny zatovovavy ny lohahevitra rôle modèle na vehivavy fakan-tahaka tao anatin’ ny sehatra ho fampahaleovantena sy fampananana asa, ao amin’ny distrikan’i Vondrozo », hoy ny tomponandraikitry ny Sampandraharaha momba ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Randimbisoa Hanitra. Ireo vehivavy mahaleo tena amin’ny fivelomana ao Vondrozo no nijoro vavolombelona hanaitra indray ny fanirian’ny zatovovavy hihoitra amin’ny fiainana sy hilofo amin’ny fianarana. Natao fitaratra hitarika sy hamoha ny fisainana hiroso amin’ny fivelarana izy ireo. Vehivavy mahomby eo amin’ny fiarahamonina ary mandray andraikitra izy valo mirahavavy, izay nampisongadina ny asa tena manintona ny zatovovavy. Mpampianatra, mpandraharaha, dokotera, mpiasam-panjakana no asan’izy ireo.
Efatra tamin’ireo vehivavy fakan-tahaka no nizara traikefa ho an’ny zatovovavy niala an-daharana tany an-tsekoly ary ny efatra hafa nitafa tamin’ ny mpianatra.
I Charlotte, mpandraharaha momba ny fizahantany ao Farafangana; i Jessica, mpandraharaha mpanangom-bokatra; i Lalanirina, mpiasam-panjakana sady mpanangom-bokatra; i Jeannicette Noera, tanora mpanentana amin’ny fikambanana ary taona faharoa amin’ny fianarana ho paramedicaux no nitafa ho an’ny zatovovavy 100. Nampitovy ny lalam-piainan’ izy efatra mirahavavy ny fijanonana tamin’ny fianarana noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny fa tsy nataon’izy ireo ho sakana hahatafitany ny nofiny izany.
Nanatontosa : Vonjy




