Fiahiana ny sahirana eny Andralanitra: 55 taona niasana teto Madagasikara ny Mompera Pedro

Porofo mivaingana amin’ny asa soa ataon’ny Mompera Pedro Opeka ny fisian’ny Akamasoa miahy ny sahirana. Mankalaza ny 55 taona nahatongavany teto Madagasikara ity pretra ity.

Nanetriketrika ny fanamarihana ny faha-55 taona nahatongavan’ny Mom­pera Pedro nanao asa soa teto Madagasikara. Tamin’izany koa ny nankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy. Na­notrona izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nandray an-tanana ny tohana maro ho an’ny akany.
Nambarany tamin’izany fa hatolotra ny Akamasoa ny tany amina hektara misy ny tobim-pako eny Andralanitra rehefa tafatsangana sy am-perinasa ny toerana lehibe fanodinana fako eto Antananarivo. Hahafa­hana manitatra fotodrafitrasa iahiana ny sahirana io tobim-pako io rahatrizay voadio tsara.
Ankoatra izay, mpampianatra 100 ao amin’ny Akamasoa ihany koa no horaisina ho mpi­asam-panjakana ary nomena baiko handavorary izany avy hatrany ny minisitry ny Fanabe­a­zam-pirenena.
Mampiavaka ny Akamasoa izay tantanin’ny mompera Pedro ny fiahiana ny sahirana na ankizy na tanora na olon-dehibe. Mitsabo ny marary, mampianatra, mamorona asa, mampian­trano ny sahirana, manome sakafo ireo tsy manana….
Toeram-ponenana marobe no miorina ao anatin’ny Aka­ma­soa, ankehitriny. 4 144 ny trano naorina manodidina an’Andra­lanitra ary tanàna kely 22 no mandrafitra ny Akamasoa. Misy sekoly ho an’ny garabola haramin’ny oniversite sy fanofanana momba ny fikarakara sakafo sy fandraisam-bahiny ao an-toe­rana.
Manakoako maneran-tany ny lazan’ny asa soa ataon’ny mompera Pedro. Raha eto Madagasikara dia tsy eto Antana­na­rivo ihany no misy ny Akamasoa fa misy koa any Vangaindrano, Taolagnaro, Nosivarika ary Belo.
Anisan’ny niaiky ny asa soa vitan’ny mompera ny papa François sy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, nandritra ny fandalovan’izy ireo teto. “Ny ezaka vitan’ity pretra ity dia ampy hanaporofoana fa azo resena ny fahantrana rehefa misy ny finiavana”, hoy ny filoha Andry Rajoelina.

Tatiana A

Partager sur: