Nizara serviette hygiénique azo sasana teny anivon’ ny CEG Ambatomirahavavy ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), omaly maraina. Nisitraka izany ireo mpianatra, ankizivavy manodidina ny 250 isa, eny an-toerana. Matetika mijanona tsy mianatra ny ankizivavy rehefa mandeha fadimbolana, raha ny zavatra tsapa. “Ny fahatsapana izany no antony nahatonga ny famoronana ny tetikasa hamokatra serviette hygiénique azo sasana”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Tsiranana Fiona. Nambarany fa tokony hianatra foana ny ankizivavy fa tsy hanapatapaka izany rehefa tonga fotoana. Vehivavy no hoavin’ny firenena, ho lasa reny izy ireo any aoriana any ary ampianarina hahay mahakasika ny fahadiovana, nandritra ny fanentanana ireo ankizivavy, teny an-toerana. Tsara ny mampiasa itony fitaovana azo sasana itony satria manaja ny tontolo iainana ihany koa. Tanjona ny hampahaleo tena ny vehivavy.
Vina sy fanambin’ny filoha mpitantana ny fikambanana ankehitriny ny hanao ny fizarana any amin’ny toerana manamorona ny lalam-pirenena voalohany iny. Ankoatra izay, manana vina ny hanampy sy hanavao ny sekoly CEG Ambatomirahavavy ny fikambanana. “Hiezaka izahay hitady mpamatsy vola hahafahana manao izany”, hoy hatrany izy nanamafy.
Mino




