Manoloana ny voina niseho tany Mananjary, misy ireo malala-tanana tonga nanolotra fanampiana eny amin’ ny BNGRC izay mitantana ny fitsinjarana ireo fanampiana araka ny tokony ho izy. Nisy ny fikambanana tanora nanolo-tanana nanome lelavola. Ao koa ny olon-tsotra manolotra vary 5 gony…
Notanterahina tao amin’ny BAEC Ankadivato ny atrikasa fanavaozana ny antontan-taratasy loharano pedagojika ho an’ny taranja Éducation à l’entrepreneuriat. Nanotrona izany ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Sehatra manan-danja amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Mifanohana ireo mpiasan’ny fahasalamana. Nisy ny tsipaipaika ataon’ny SPSM manerana ny Nosy hanampiana ny naman’izy ireo niharam-boina tany Mananjary nandritra ny firehetana nandrava tanàna. Vola mitentina 1 300000 Ar no natolotra ireo namany traboina.




