TSELATRA

Voasambotry ny polisy, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hamono ny vady aman-janany tao amin’ny faritra Amea Andavamamba. Nifamaly tao an-tranony ny mpivady, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Nan­dray antsy ralehilahy ary nikasa hamely izany tany amin-dravehivavy sy ny zanany. Niditra an-tsehatra nisambotra ilay rangahy ny Polisy misahana ny fifamoivoizana ary nitondra ity farany eny amin’ny Poste de Police Ilanivato.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andre­fan’Ambohijanahary sy Nanisana, afakomaly. Fan­de­hanana mafy sy fahamamoan’ny mpamily ny antony niteraka ny loza. Nidona tamin’ny fiara Toyota teo akaikin’ny Toby Ratsimandrava, tamin’ny 7 ora sy 50 mn hariva, ny moto Honda iray. Nidona tamin’ny fiara Renault Twingo ny moto Kymco GP iray hafa tetsy Nanisana Sapin. Tsy nisy ny naratra, fahasimbana ara-materialy no nisy.
Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP4 Isotry, teny amin’ny Voridamba ny lehilahy iray nahatrarana entana halatra, afakomaly. Nitaraina teny amin’ ny polisy ny olon-tsotra iray fa nisy olona nangalatra ny entana tao an-tranony. Lasan’ny olon-dratsy ny kiraro sy “basket” iray. Hita teny amin’ny faritra Voridamba ireo entana very ireo. Nosamborina avy hatrany ilay nahiahina.
Nahitana fatin-jaza menavava efa tsy nisy loha intsony teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, omaly maraina. Teo ampovoan-dalana manakaiky ny tobin-tsolika tany Ambalamasy no nisian’izany. Efa notaritarihan’ny alika avy any amin’ny toerana tsy fantatra io faty io ary nampakarany teny amin’ny lalana.

Partager sur: