Nahazo sekoly manara-penitra ny mpianatra ao amin’ny fokontany Ambohitrinibe Andakana, kaominina Anosiala, disitrikan’Ambohidratrimo. Tontosa omaly, tany an-toerana, ny lanonam-pitokanana ny sekoly fanabeazana fototra ” La Sagesse Universelle “. Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no nahafahafana nanatanteraka ny fotodrafitrasa. Angady nananana sy vy nahitana ny sekoly ny fikambanana Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) sy ny mpiara-miombon’antoka miaraka aminy.
Toeram-pianarana laika, natokana ho an’ny zaza malagasy tsivakivolo. Hisitraka izany avokoa ireo ankizy malagasy monina eny an-toerana sy ny manodidina.
« Zava-dehibe ny fametrahana ny kalitaom-pampianarana tsara sy ambony ao anatin’ny fametrahana fotodrafitrasa raitra sy manara-penitra », hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson. Nambarany ihany koa fa tanjona ny hamoahana sy hananana Malagasy manam-pahaizana sy sangany eto an-tanindrazana. “! », io ny teny manentana ireo tanora sy zaza malagasy.
Tonga nanatrika ny fitokanana moa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, sy ny delegasiona notarihiny. Nisolo tena ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, ny tenany. Ity farany izay mbola lasa mamita iraka any amin’ny faritra.
Mino




