Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa : Nankatoavina ny paikady niomerika

Nankatoavina ny herinandro teo ny paikady nasionaly momba ny digitalisation ao amin’io minsitera io. Mikendry ny hanova ifotony ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny niomerika, mba hanamorana ny fidirana amin’ny asa, ity paikady ity. Eo koa ny fanavaozana ny fitantanana ny rafitra ETFP amin’ny fitaovana niomerika hoenti-mam­pitombo ny mangarahara sy fahombiazana. Ankoatra izay, ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara niomerika ho an’ny rehetra, indrindra ny vehivavy sy ny tanora any am­banivohitra.
Nilaza ny minisitra Rasolo­a­risoa Marie Marcelline fa 40 000 ireo teknisianina niomerika ilaina eto Madagasi­kara hatramin’ny taona 2028. Kendrena ny hanofana teknisianina 6 000 isan-taona mandritra ny telo taona ho avy.
Ankoatra ny fiofanana, tafiditra ao anatin’ity paikady ity ihany koa ny famoronana taranja vaovao mifandraika amin’ny Tic, ny fananganana rafitra informatika hanatsa­rana ny fanadinana nasionaly ary ny fampivoarana ny sehatra “e-learning” azon’ny rehetra idirana.
Vokatra avy amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Unesco sy ireo mpiara-miombon’an­toka no ahafahana manatanteraka izany.
Efa tsy azo ihodivirana in­tsony ny sehatry ny niomerika amin’ny fampianarana sy ny fampivoarana ny tontolon’ny fanofanana arakasa ka mitaky tanora manam-pahaizana ma­hafehy izany i Madagasikara.

Tatiana A

Partager sur: