Miatrika ny fivoriambe Beijing+30 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sasantsasany. Rahampitso no handray anjara amin’ny fihaonambe ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.
Omaly, nivoy ny ezaka amin’ny fanomezana sehatra ny vehivavy amin’ny lafiny maro mba hitondra fampandrosoana ny minisitry ny Mponina, nandritra ny lahateny nataony tamin’ ny fihaonambe Beijing+30.
Efa maro ny ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy. Tsy vitsy koa anefa ireo asa miandry. Ankehitriny, nanamafy indray i Madagasikara fa safidy ara-politika ny fitovian’ny lahy sy ny vavy. Fitaovana ho an’ny fahamarinana sy ny fampandrosoana maharitra, faharesen-dahatra izay mitarika ny hetsika nasionaly sy ny fanoloran-tena amin’ ny sehatra iraisam-pirenena.
Raha ny vina hotratrarina, hisitraka ny fanabeazana aizana maoderina ny 60% ny vehivavy amin’ny taona 2030 izay fanentanana iarahana amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, mihitsy.
Fanitarana ny fahazoana famatsiam-bola sy fampindramam-bola madinika ho an’ny mpandraharaha, indrindra ho an’ny vehivavy, miaraka amin’ ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena Fihariana izany. Eo koa ny fanofanana ara-pambolena maharitra ho an’ny vehivavy, hitondra anjara biriky amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Miantoka ny fampivoarana ny maha olona avokoa ireo ezaka ifotorana, tafiditra indrindra ao anatin’ny politikam-panjakana.
Etsy andaniny, manamafy ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny andrimpanjakana mpanapa-kevitra sy ny fizotry ny fandriampahalemana i Madagasikara. Fanirianay ny hanova ireo sakana ho fandrosoana mivaingana amin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena, ny ady amin’ny fanambadiana aloha loatra sy ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny maha vavy. Eo koa ny fanavaozana amin’ny sehatry ny teknolojia niomerika, ny fanodinana angovo azo havaozina ary ny toekarena maitso.
Tatiana A




