Fanofanana arakasa : Miara-miasa ny AIRC sy ny minisitera

Nihaona ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marceline, sy ny solontena avy ao amin’ny Agence internationale de recrutement Canadienne (AIRC), omaly. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fanofanana arakasa ho an’ny tanora sy ny mpiasa ny fihaonana. Teo koa ny fanombanana ny fahaiza-ma­naon’ireo mpianatra sy mpiasa eny amin’ny Lycée teknika. Ankoatra izay, ny fametrahana tetikasa ahafahan’ireo manam-pahaizana avy amin’ny sehatry ny fanofanana arakasa miasa any Canada, mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa any an-toerana.
Ity fiaraha-miasa ity izay mikendry ny hampitombo ny kalitaon’ny fanofanana sy hanatsara ny fahafahan’ny tanora malagasy mahita asa any ivelany.
Anisan’ny firenena mandray teratany vahiny hiasa ao aminy i Canada. Maro ny tanora voasarika mankany milaravinahitra na manohy fianarana. Mitaky traikefa sy fahaiza-manao amin’ny kalitao takin’ireo orinasa misy anefa ity firenena ity. Anisan’izany ireo ampy traikefa ara-teknika sy manana diplaoma mahakasika izay. Izany indrindra no hisian’ny fiaraha-miasa matotra, satria anisan’ny tanora mahay sy ilaina ny Malagasy.

Tatiana A

Partager sur: