Vita ny atrikasa nanavaozana ny drafi-piatrehana ny vanim-potoam-pahavaratra 2025-2026 ho fitantanana tandindon-doza sy ny loza ho an’ny faritra Analanjirofo.
Tamin’izany no nahafahan’ny mpiantsehatra nanao jery todika ny asa natao rehetra nandritra ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tany amin’iny faritra iny. Anisan’ny faritra lasibatra matetika amin’ny rivodoza ny any an-toerana ary sokajiana ho toerana marefo manoloana izany.
Natao, araka izany, ny fameloma-maso indray na ny fananganana ireo rafitra enti-mitantana ny tandindon-doza sy ny loza eo anivon’ny prefektioran’i Fenerive-est (CRGRC) sy eo anivon’ireo disitrika (CDGRC) rehetra ao amin’ny faritra.
Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana apetraky ny paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza izao fandrafetana drafi-piatrehana ny mety ho fihavian’ny loza izao.
Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo tomponandraikitra mahefa eny ifotony mba ho afaka mampihatra avy hatrany ny paikady rehefa mananontanona ny loza. Teo ny Préfet an’i Fenerive-Est, ireo lehiben’ny distrika, talem-paritra ary solontenam-panjakana isan’ ambaratongany.
Nifarimbona ny BNGRC sy ny Unicef ary ny Croix Rouge Malagasy tamin’ny fanatontosana ny hetsika teny ifotony.
Tatiana A




