Tafapetraka soa aman-tsara ny Chef d’antenne vaovao ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Asa, fampanananasa sy ny asam-panjakana, ao Diana. Maneho ny fanamafisana ny fisian’ny fanjakana any an-toerana ary koa ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina sy ireo orinasa izany. Miompana betsaka amin’ny lafiny fizahantany ny any Nosy- be ary ilaina ny fanaraha-maso ireo mpiasa amin’ireny sehatra ireny.
Hamafisina ny ady amin’ny VIH/Sida, amin’ny alalan’ny fanomezana an’ireo tomponandraikitra ara-panjakana, ara-drazana sy ara-pivavahana, ny karazana fanentanana mba hahafahany manamafy izany amin’ny fotoana sy ny sehatra afaka hanaovana izany. Tazomina ho tsiambaratelo hatrany ny valin’ny fitiliana. Izany rahateo dia torolalana tsy maintsy arahina amin’ny fanatanterahana ny fitiliana sy fitsaboana ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida.
Manahy ny korontana ateraky ny mety hisian’ny fitokonana eny Analakely ny mpivarotra sy ny mpianatra manodidina an’Analakely. Tsy tokony hisy korontana ny fitakiana izay hatao fa atao am-pahamendrehana ahafahan’ny fiainam-bahoaka mitohy ihany.




