Fitaizana zaza kambotin’ny Tafika : Nitondra ny anjara birikiny ny Tafika an-tanety

Tonga teny amin’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika An­dohalo ny solontena avy eny amin’ny Etama­zaoron’ny Tafika an-tanety, notarihin’ny jeneraly Pikulas Démosthène, Mazaoro jeneralin’ny Tafika an-tanety, ny herinandro lasa teo. Nanolotra lelavola ho fandraisana anjara amin’ny fananganana ny tambohon’ny Ivon­toerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika any Antsahasoa Pagode zy ireo. Nandray izany ny amiraly Ga Jacquy Honoré, Mazaoro jeneralin’ireo Tafika no sady filohan’ny fikambanana mpiahy ireo zaza kambotin’ny Tafika, notronin’ny jeneraly Andriamialy Samse Assimo, talen’ny foibe fitantanan-drarahan’ny Tafika sady lehiben’ny komity mpitantana sy ny lietnà Solofoniainarivelo Ta­tiana, lehiben’ny Ivontoerana. Nam­baran’ny jeneraly Piku­las, izay nisolo tena ny jeneraly lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, fa nandray anjara tamin’izao latsakemboka izao avokoa ireo rantsamangaikan’ny Tafika an-tanety manerana ny Nosy, miaraka tamin’ny foibem-pibaikoana. Vonona ha­trany izy ireo amin’ny tolo-tanana mety ilaina amin’ny fanatsarana fotodrafitrasa ho amin’ny tombontsoan’ireo zaza kamboty mipetraka sy beazina eny an-toerana. Araka izany, nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ny amiraly Ga Jac­quy amin’izao fihetsika feno fandraisana andraikitra nasehon’ny Tafika an-tanety izao, ary mbola nanentanany ny hafa handray anjara ihany koa satria adidy iombonana ireo ankizy beazina eo anivon’izany ivontoerana izany. Nanome toky ihany koa izy ny amin’ny hanaovana mangarahara ny fitantanana mba hamitana araka ny tokony ho izy ny asa rehetra mifanandrify amin’izao fanomezana izao. Ny Ivon­toerana fitaizana zaza kambotin’ny Tafika eny Antsahasoa Pagode dia sampandraharaha iray eo anivon’ny Etamazao­ron’ireo Ta­fika misahana ny fikarakarana ireo zanaka navelan’ny miaramilan’ny Tafika lavo an’ady teny an-kianja nandritra ny famitana hetsika fiarovana sy fampandriam-pahalemana.

Jean Claude

Partager sur: