Somary ratsiratsy ny vokatra azon’ny Malagasy, nandritra ny fifaninanana ho an’ny tsirairay, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny taranja hazakazaka am-bisikileta, izay tontosaina any Rwanda. Laharana faha-47 amin’ireo 55 nandray anjara, i Amédé Houlder Mohamed. Nambarany, omaly, fa tena sahirana tanteraka ny tenany, noho ny tsy fitovian’ny fitaovana eo aminy sy ireo mpifanandrina aminy.
Nohamafisiny hatrany fa raha ampy tsara ny fanohanana sy ny fitaovana nentina niatrika ny fifanintsanana, mety ho tsaratsara kokoa ny vokatra. « Izay aloha no vita! Mba nahavita ireny aloha isika, mino aho fa tsara mihoatra lavitra noho ireny ny vokatra raha ampy ny fanohanana sy ny fitaovana», hoy i Mohamed Houlder Amédé, Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta.
Nambarany fa lojika tanteraka io vokatra io, raha ny fahitany ny zava-misy, saingy nahazo dera tamin’ny mpikarakara ihany ny Malagasy tamin’ny nahazoana io laharana io, amin’izao fifanintsanana iraisam-pirenena izao. Tsara ny mampahatsiahy fa sambany teo amin’ny tantara no nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka izao
.
Fitia Randria




