TSELATRA

Nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny taksiborosy iray, teo anelanelan’i Miari­narivo sy Amboalefoka, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny angom-baovao. Kodiarana vaky no nitarika ny loza.
Sigara hosoka miisa 57 000 fonosona sarona tao Mahajanga, ny alatsinainy 22 septambra teo. Nolazaina fa fitaovam-pamafana avokoa ireo entana kinanjo tratry ny fisavana. Nogiazana ny entana ho­soka.
Hanao hetsika telo lehibe toy ny fitondrana am-bavaka iraisam-pinoana, ny fanomezan-dra sy ny hazakazaka ara-pirahalahiana ny polisim-pirenena ho fankalazana ny faha-64 taonany. Mitarika ny fankalazana ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny polisim-pirenena.
Zaza roa taona namoy ny ainy niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Sotema Mahajanga, afakomaly. Notrotroin-dreniny io zaza io, kinanjo nodomin’ny fiara tampoka izy mianaka. Nipitika ny zaza ka voahitsaka.

Partager sur: