Manoloana ny fifandroritana eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana manao ankolafy, mitondra fanazavana ny avy amin’ny Fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana Mijoro, izay ahitana mpitsabo sy paramedy ary mpandraharaha.
Nolazain’ny Fiombonan’ ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy tokony hodian-tsy hita ny zava-bita amin’ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana izay miorina manerana ny Nosy, toy ny CSB sy ny hopitaly. Toraka izany koa ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana manatona vahoaka. Ny fampiofanana maro omena ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatsarana ny tolotra eny ifotony.
Ankoatra izay, niroborobo ny sosialin’ny mpiasan’ny fahasalamana izay nijoroan’ny SPSM ary manao zaikabe isan-taona ka mahavory mpikambana maro resy lahatra amin’ny fandrosoan’ny asan’ ny mpiasan’ny fahasalamana.
Nanaporofo izany ny firaisankina tamin’ny voina nahazo ny namana tany Mananjary. Nanao tohivakana ny voinkava-mahatratra avy amin’ ny SPSM any amin’ny isam-paritra sy teto amin’ny foibe. Nihamafy ny fifandraisam-po eo amin’ny mpiara-miasa.
Maro ny fandraisana mpiasam-panjakana nataon’ny minisitera, na paramedy io na dokotera na mpandraharaha. Ny paramedy izay nandraisana ireo andiany roa tao anatin’ny telo taona izay. Ny fampiakarana andraikitra kosa dia efa mikarakara ny fanjakana.
“Mahakasika ny famindran-toerana, tokony hanaraka ny fandaminana ny rehetra”, hoy ny Fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana Mijoro. Efa nanao fanekena amin’ny toerana nametrahana ny tsirairay ao anatin’ny 4 taona ka manan-jo hangataka fifindran-toerana aorian’izany. Eo koa ny famindran-toerana ao amin’ny minisitera izay miankina amin’ny filan’ny tolotra eny ifotony. Miakatra eo amin’ny talem-paritra ary tonga amin’ny minisitera izany. Efa misy ny vaomiera miandraikitra izany ka mifandray amin’ny filan’ny distrika ny fanaovana izany.
Tatiana A




