Anjaran’ny faritra Atsinanana indray no omena ny toromarika amin’ny fanamafisana ny fahaizana miatrika ny karazana loza voajanahary.
Raha ny antontanisa, 61 ireo tranga na sehona andro ratsy toy ny rivodoza sy tondradrano teto Madagasikara, tato anatin’ny 10 taona farany. Nahakasika ny faritra Atsinanana avokoa ny 22 tamin’ireo. 800 ny olona namoy ny ainy teto Madagasikara tamin’izany, ka ny 51 amin’ireo no tany Atsinanana. 2 360 000 ny traboina ka ny 11 7000 tamin’ireo dia avy any amin’ ny faritra Atsinanana avokoa.
Ireo antony ireo no nahatonga ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC nanapa-kevitra hanavao ny drafitra entina miatrika ny loza mba hahafahana manalefaka ny fiantraikan’izany sy hahafahana miasa avy hatrany mialoha, mandritra ary aorian’ny loza. Vavahadin’ny rivodoza ny distrikan’i Mahanoro ka nisafidianana hanatanterahana ny atrikasa.
Havadika ho boky ny tsoakevitra mivoaka eo ary samy hanana izany ny tomponandraikitra isan-tokony.
Tatiana A




