Nampahafantatra ny fizotran’ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra Ivato ny avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Rano.
Midadasika ny tetikasa Parc Solaire etsy Tsarasaotra ary heverina fa hitondra vahaolana amin’ny vesatry ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina ny fahavitan’izany aoriana ao. Hamahana ny fanamby amin’ny fahatapahan-jiro miverimberina sy hiantohana ny fiarovana ny angovo maharitra izany. Mahatratra 40 MWc ny angovo voatrandraka ho an’ny dingana voalohany amin’ny tetikasa. Mahavaly ny filan’ny tokantrano miisa 80 000 izany. 5 MWc amin’izany no hatokana mivantana amin’ny famatsiana ny teleferika.
Raha ny fanazavana teknika hatrany dia hapetraka amin’ny andrin-jiro avokoa ny takelaky ny angovo avy amin’ny masoandro. Tanjona ny hisorohana ny fibahanana loatra ny toerana ka ho afaka ampiasaina amin’ny voly mifanaraka amin’ny tokony hatao eo ny tany. Velaran-tany 2 ha ihany no ho voabahana tanteraka izay natokana ho an’ny fanamboarana ny tobin’ny herinaratra sy hametrahana ny fitaovana teknikan’ny orinasa Jirama ilaina amin’ny fampandehanana ny valanjavaboahary. Ny tany eo ambanin’ny tontonana dia hijanona ho azo ampiasaina amin’ny voly hafa (legioma na vokatra hafa).
Etsy andaniny, efa mandeha ny fanorenana fefiloha fiarovana ny fotodrafitrasa amin’ny rano ary ho lalana hidirana amin’ny fikojakojana tsy maintsy hatao.
Miisa 128 ireo tantsaha voakasik’ity fanotofana tanimbary hanaovana fotodrafitrasa Parc Solaire ity. Efa samy nanome ny marimaritra iraisana tamin’ny tetikasa izy ireo raha ny fanazavana avy amin’ny SENVH. Tantsaha 46 amin’ny faritra 1 sy 2, misy tany mirefy 22 ha. Tantsaha 82 hafa kosa, amin’ny faritra 3 sy 4 nanome ny tany 48 ha. Mitontaly 70 ha ny velarantany voakasika mivantana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Efa mandeha ny tambin-karama ho an’ireo tantsaha ireo, manao izay fomba rehetra hanafainganana ny fandoavana ny vola ny fanjakana.
Tatiana A




