Fahasalamana: Manomboka ny tetikasa Wish II

Tetikasa mifantoka amin’ny zo sy ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny « Wish II ». Mikendry indrindra ny vehivavy, ny zatovo sy ny tanora, ny olona manana fahasembanana ary ny olona marefo ny hetsika.
Distrika maromaro ao amin’ny faritra Itasy no hisitraka ny tetikasa ka anisan’izany ny ao Arivonimamo, Soavinandriana ary Miarinarivo. Any Ankazobe sy Anjozorobe ary Ambohidratrimo kosa no hisitraka izany, raha ny eto Analamanga.
Anisan’ny hanamarihina ny fanombohan’ny fiaraha-miasa ny tolotra maimaimpoana nomena ny vahoaka nandritra ny andiany voalohany. Eo koa ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana mandritra ny 2 andro, hanana traikefa amin’ny fandresen-dahatra sy fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana maharitra mipaka mivantana any amin’ny vahoaka.
Vina napetraky ny fanjakana mihitsy ny hisitrahan’ny Malagasy ny fandrindram-piterahana maimaimpoana manerana ny Nosy. Mifanindran-dalana amin’izany ity tetikasa “Wish II” ity.

Tatiana A

Partager sur: