Bongolava : Nahasarika olona maro ny “Fijery Hafa”

Anjaran’ny faritra Bongo­lava indray no misitraka ny “Fijery Hafa” izay tetikasam-panofanana mora raisina sy azo hampiharina avy hatrany, tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Nomena tombony ny fi­kam­banan’ny sembana sy ny sakaizany (FSSB) tamin’ity, tao Bongolava. Nampiofanina izy ireo tamin’ny fanamboarana arina fandrehitra sy famokarana tsakitsaky vita amin’ny mangahazo.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nisy ihany koa ny fiofanana momba ny voly avotra sy ny fambolena legioma, nahasarika tantsaha maro tao amin’ny faritra.
Etsy ankilany, niara-niasa tamin’ny tetikasa Fihariana ny fitaleavam-paritra, ka nikarakara fiofanana roa andro tao amin’ny Akany Finoana FJKM momba ny sakafo sitrahin’ny fiarahamonina.
Nianarana tao ny fanodinana vokatra toy ny chips avy amin’ny mangahazo, paty gasy ary caca pigeon. Mbola hitohy amin’ny fiofanana mo­m­ba ny fanaovana karazana mofo sy ny kolontsaina mo­mba ny fandraharahana izany fiofanana izany. Hizarana mari-­piofanana izy ireo ­ao­rian’izany.
Mikendry ny hanome fahaiza-manao mivantana ho an’ny rehetra hahaleo tena ara-pivelomana ny fiofanana “Fijery Hafa” izay atao saika manerana ny faritra.

Tatiana A

Partager sur: