Feno fanahiana ny mpianatra sy ny mpiasa manodidina an’Analakely noho ny fisian’ny fitakiana ho ataon’ny olona tofoka amin’ny delestazy eny an-toerana, anio. Hatramin’ny ora farany omaly, tsy nilaza ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana. Ny sekoly tsy miankina kosa dia efa nanafatra ny mpianany tsy hianatra aloha.
9 mirahavavy ireo nisitraka ny fandidiana fistule maimaimpoana tao amin’ny CHRR Farafangana. Vokatry ny aretina mamany lava noho ny fahasarotan’ny fiterahana na noho ny antony hafa no nahatonga ny aretina. Nomena ny fampitaovana avy amin’ny tetikasa Fistula ihany koa izy ireo ho ampiasaina any an-tokantrano.
Tanterahina eto Antananarivo ny atrikasa fakan-kevitra ho an’ireo mpisehatra miaro ny zon’ny ankizy. Izany ny atao dia ho fampandrosoana ny politikam-pirenena ho an’ny fiahiana ny ankizy. Tanjona ny hametrahana paikady mahomby ho fiarovana ny zon’ny ankizy ho lavitry ny herisetra.




