Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana sy arakasa ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, tao amin’ny toeram-piasany Andohalo, omaly ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny masoivohon’i Inde. Nitarika izany ny Kly Devashish Dikshit, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Voaresaka tamin’izany ny fanatsarana ny fifandraisana ara-tafika misy eo amin’ny roa tonta manoloana ireo ambana marolafy, indrindra eo amin’ny fanomanana ireo miaramila. Tamin’izao fitsidihana izao no nanoloran’ireto vahiny amin’ny fomba ofisialy ny fanasana avy amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika indianina ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika Malagasy hanatrika ny fivoriana karakarain’ny Firenena indianina hiombonan’ireo firenana manana iraka ho an’ny fandriampahalemana maharitra, «Maintien de la paix», eo ambany fiahian’ny Firenena mikambana.
Jean Claude




