TSELATRA

Mpanao gazety iray nanatontosa ny asany no nofelahin’ny zandary nandritra ny hetsika nataon’ireo mpitolona teny Ambohijatovo, omaly tolakandro. Raikitra fifamaliana ny asa teny an-kianja izay samy sahanin’ny roa tonta. Melo­hina ny fikasihan-tanana atao amin’ny mpanao gazety.
Jiolahy mpamaky trano sady mpamerin-keloka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ampaisokely, Miarinarivo, afakomaly vao mangiran-dratsy. Nitrangana vaky trano tao amin’ny tanànan’i Miarinarivo. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena ka nandray ny andraikiny avy hatrany. Tratra ary nentina natao famotorana io lehilahy io.
Tovolahy iray torana tampoka teny an-dalana tao Andrononobe, kaominina Ankadikely, omaly. Nitomany io lehilahy io kinanjo nitambotsitra tampoka. Nifanampy ny nanatri-maso sy ny mpitandro filaminana namonjy azy.
Tovolahy iray tratran’ny fokonolona namaky trano tany Ambondrona, Nosy be Helle ville, omaly
tamin’ny 9 ora maraina teo. Tratra teny aminy ny vary akotry iray daba. Tsy misy sakafo hohanina izy ka antony nahatonga azy nangalatra, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Tezitra ny olona ka namono azy, vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany izy.

Partager sur: