Sehatra tsy miankina: hotazonina 250 000 Ar ny karama farany ambany

Navoaka ny volana septambra 2022 ny didim-panjakana manambara fa 250 000 Ar ny karama farany ambany ho an’ny mpiasa. Nisy ny tohana nentin’ny fitondrana ho an’ny vondron’ny mpampiasa hanamaivanana ny vola mivoaka amin’ny tompona orinasa vokatr’izany. Mitohy ny dinika sosialy amin’ity taona ity hitazonana io karama farany ambany io fa tsy misy mihitsy ny fidinan’ny sora- bola satria efa didim-panjakana no efa namaritra izay. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Asa sy ny lalàna sosialy eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanana asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna so­sialy, Razakaboana Hanitra, omaly, teny 67ha.
Mbola hidinika amin’ny tomponandraikitry ny mi­ni­siteran’ny Indostria sy ny varotra koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Asa satria izy no minisitera mpiahy mivantana ny sehatra tsy miankina eto amintsika. Naneho ny ahiahiny ny mety ho vesatr’izy ireo amin’ny fampiharana ity mari-karama ity ny vondron’ny mpampiasa. Izany no mbola hi­fampidinihana eo amin’ny Vondron’ny mpampiasa sy ny sendikàn’ny mpiasa ary ny minisitera voakasika. “Aorian’ny dinika, hisy ny didim-panjakana mamaritra indray ny mari-karama farany ambany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny mi­nisiteran’ny Asa, Razafi­manantsoa Jerson.

Vonjy A.

Partager sur: