Nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana tamin’ity herinandro ity ny hetsika Skoto-Tily eto Madagasikara. Nomena lanja manokana ny andraikitry ny fikambanana amin’ny fanabeazana sy ny vokany eny anivon’ ny fiarahamonina.
Feno 100 taona amin’ny taona 2024 ny hetsika skotisma Tily eto Madagasikara. Nahazo ny fankasitrahana manokana tamin’ny filoham-pirenena Philbert Tsiranana ireo mpikambana rehefa nitondra fanampiana ho an’ny mpiara-belona nandritra ny tondra-drano niseho teto Antananarivo, ny taona 1958. Asa izay mbola iandraiketany hatramin’ izao, toy ny famonjena rehefa sahirana vokatry ny fiakaran’ny rano ny mponina tao Mahajanga. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, taorian’ny fandalovan’ ny rivodoza Cheneso, manao asa hanatrarana ny tanjon’ ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) ny mpikambana rehetra. Asongadina amin’ izany ny fandraisana anjaran’ny tanora hitondra vokatra ho an’ny mpiara-belona.
Vonjy