Filankevi-pirenen’ny Seces : Mitaky ainga vao ny tontolon’ny fampianarana ambony

Nilaza mahitsy ny amin’ireo fanarenana sy soso-kevitra hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana ambony ny Seces. Hipaka amin’ny mpianatra sy ny mampianatra ny fanatanterahana izany.

Nanatanteraka ny filankevi-pirenena ny Sen­dikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) tamin’ ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny tokony hitondrana ainga vao ho an’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nivoitra tamin’ izany.
Voalaza fa misy fahabangana be ny isan’ny mpampianatra raikitra eny amin’ny ambaratonga ambony. Vaha­o­lana haingana ny famere­nana ny “Remplacement nu­mérique”. Mila raisina kosa ny vahaolana maharitra dia ny fampiakarana ny fandraisana mpampianatra raikitra ho an’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony. Tokony ho ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fanatanterahana izany.
Nanao tsindrim-peo amin’ ny tokony hisian’ny fanatsa­rana ny asan’ny sampandraharahan’ny fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ihany koa ny Seces.
Ankoatra izany, mitaky ny fanapariahana any amin’ny faritra ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpampianatra mpikaroka izy ireo.
Tsy latsa-danja amin’ny fanarenana hitondra ainga vao ny fandoavana ara-po­toana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny fikojakojana sy ny fanarenana ny toeram-ponenana izay miantoka ny vahaolana eny amin’ny anjerimanontolo ihany koa.
Fa anisan’ny vahaolana maharitra ho an’ny fampianarana ambony koa ny fanekena ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan’ny Oniversite, ny toeram-pampianarana ambony sy ireo foibem-piofanana mifamatotra aminy.
Takin’ny Seces koa ny famerenana ny tanin’ny Oni­versite miankina amin’ny fanjakana sy ny an’ireo foibem-pikarohana nasionaly izay bodon’olon-tsotra.
Tetsy andaniny, nankasitraka ny fanjakana amin’ny fanafainganana ny fandoavana ny ora fanampiny ho an’ny Oniversiten’Antananarivo ny Seces.

Tatiana A

Partager sur: