Nampiofanina mikasika ny teknika fandefasana sy fandraisana ireo fanafody, alatsaka amin’ny alalan’ny « drone », ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana ao amin’ny CSB sy ny mpiandraikitra ny Phagedis ao amin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana.
Anisan’ny alefa amin’ ny « drone » ny karazana fomba fanabeazan’aizana mba tsy ho tapaka ny famatsiana na eo aza ny andro ratsy sy ny haratsian-dalana mety hanelingelina ny famatsiana. Nampiofananina tamin’izany koa ny fomba fampiasana ny karazana fanabeazan’aizana vaovao, mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny.
Niainga tao Bekily ny ivon’ny fandefasana ny « drone ». Notanterahina tamin’ireo CSB 40 manodidina kosa ny famatsiana.
Mahazaka fanafody 10 kg ny « drone » iray. Manodidina ny 100 km no afaka vatsiana anatin’ny fotoana fohy. Ireo CSB lavitry ny renivohitra, mandalo lalan-dratsy sy miampita rano matetika no anaovana ny famatsiana fanafody amin’ ny alalan’ny « drone ».
Paikady maoderina entina hamatsiana tsy tapaka ireo karazam-panafody fototra ilain’ny mponina ny fampiasana “drone”. Fiarahamiasan’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny DPLMT sy DSFa miaraka amin’ny UNFPA no ahafahana manatanteraka ny asa.
Tatiana A