Tatitra-BNGRC: olona 24 maty, 21 tsy hita popoka

Miisa 24 ny olona maty nandritry ny fandalovan’ny rivodoza CHENESO teto amin’ny nosy. Mahatratra 21 ireo tsy hita popoka nan­dritra izany raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly. Maherin’ny 73 377 ireo tra-boina manerana ny nosy. Mitsinjara ao anatin’ ny faritra 15 ireo traboina miisa 16 688. Mahatratra 35 677 ireo olona tsy main­tsy nafindra toerana vonjimaika. Vokatry ny fiaka­ran’ny rano sy fahasimban’ ny trano fonenany. Ka mi­tsinjara amin’ny toerana samihafa miisa 135 ireo tra-boina miisa 7904.

Maherin’ny 23 630 ireo fotodrafitr’asa simba ma­nerana ny nosy. Anisan’ izany ireo voly vary ato ana­tin’ny faritra Analamanga, Analanjirofo, Boeny ary Sofia. Maherin’ny 60 ireo sekoly potika sy rava ao anatin’ny faritra maro ma­nerana ny nosy. Anisan’ izany ny eto amin’ny faritra Analamanga. Misy ny fianarana natao andraisana ny tra-boina toy ny EPP sy ny CEG. Mbola miato arak’ izany ny fampianarana mba hitsinjovana sy ho hiaro­vana ireo mpianatra tsy ho voan’ny loza.

Ankoatr’izany, miampy ny tetezana sy ny lalana ta­paka manerana ny nosy. Antony, ny fihotsahan’ny ampahan-dalana eo amin’ ny lalam-pirenena samihafa. Izay miteraka fikoronta­nana sy fihatoan’ny fitaterana ho an’ny mpitatitra. Toy ny ao amin’ny lalam-pirenena fahaefatra sy faha enina. Marihina fa lasan’ny rano ny ampahan- dalana amin’izy ireny ka maha­tonga ny fahatapahana.

Mbola ho betsaka ny rotsak’orana entin’ny rivodoza CHENESO eto Mada­gasikara. Mitondra takaitra noho izany ireo faritra iva sy manakaiky fefiloha toy ny eny Ampitatafika. Efa miakatra ny renirano ary vaky ny fefiloha eny an-toe­rana. Efa mandray andraikitra ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manoloana ny tranga.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: