Nisitraka tetikasa maro ny fokontany ao anatin’ny boriboritany fahaefatra nandritra ny taona lasa, hoy ny tompon’andraikitra nanaovana fanadihadiana. Anisan’izany, ny fanatsarana ny Epp, ny fanaovana lalankely, asa iatrehana ny loza ateraky ny toetr’andro fahavaratra. Nesorina ireo vatobe teny amin’ny faritra avo. Mahatratra 240 metatra ireo lalankely vita “béton” ho an’ny faritra iva. Toy ny ao Ankadimbahoaka sy Ambodirano Ampefiloha. “Mba hisorohana amin’ny loza vokatry ny rotsak’orana ny antony”, hoy ny delege. Ankoatra izany, nisy ny fanazavana ny fokontany, amin’ny alalan’ny andrimasom-pokonolona, mba hanafoanana ny tsy fandriampahalemana. Olona miisa 700 nisitraka kara-panondro sy kaopia faobe maimaimpoana teo anivon’ny boriborintany. Notanterahina tamin’iny volana desambra lasa teo iny. Misy ny mpisehatra teknika misahana ny asa fanadiovana eny anivon’ ny fokontany. Manadio ny lakandrano eny anivon’ny tsena sy eny amin’ny faritra maro izy ireo. Nilaza ny tompon’andraikitra fa misy ny ezaka vita fa mbola maro koa ny tsy maintsy hatao. Voakasik’izany ireo fokontany tsy mbola nisitraka ny tetikasa. Marihina fa niaraha-niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tetikasa rehetra.
Mino (mpianatra asa)