Lasibatra ny fampianarana tamin’ny ankamaroan’ny renivohi-paritany manerana ny Nosy, omaly. Ho an’ny teto Antananarivo, efa nanao fanambarana ny OMC fa mikatona avokoa ny sekoly ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe. Nisy ihany anefa ireo ray aman-dreny tsy nahafantatra izany ka nandefa ny zanany nianatra ihany na tao anatin’ny tebiteby aza. Tonga tany am-pianarana mihitsy vao nahafantatra fa tsy mianatra ka niverina nody ary sahirana vao nahita taxi-be nodiana. Teo koa ny korontana teny an-dalana ataon’ireo mpandromba sy fifanenjehana nataon’ny mpitandro filaminana ka niteraka tahotra sy horohoro, ny ankizy indrindra indrindra. Tany amin’ny faritra kosa, tamim-pahatairana no nakan’ny ray aman-dreniny ny ankizy tany an-tsekoly rehefa raikitra ny fihetsiketsehana. Jembin’ny baomba mandatsa-dranomaso teny an-dalana izy ireo ary tora-kovitra noho ny zava-doza niainany teny an-dalana. Ny minisitry ny Fanabeaza-pirenena kosa nanadio tetsy amin’ny Tana Water Front, omaly. Miandry am-pitaintainana ny mpianatra ny amin’ny fiverenana an-dakilasy. Mila manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Nanatontosa : Vonjy sy Tatiana A




