Faritra Anosy : Mahaliana ireo mpiasa miahy tena ny fisian’ny fiahiana sosialy

Anjaran’ny faritra Anôsy, ao Tolagnaro, ny nanatanterahana ny hetsika fanazavana mahakasika ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena.

Dingana iray lehibe ho amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny minisiteran’ny Asa amin’ny fametrahana rafitra fiahiana ara-tsosialy maharitra sy misokatra ho an’ny rehetra, indrindra fa ho an’ireo mpiasa tena no ataon’ny fanjakana. Noha­mafisiny fa tsy maintsy misitraka fiarovana ara-tsosialy ny mpiasa rehetra, na mpiasan’ny orinasa izany na ny mpiasa tena. Ny faritra Anôsy dia voafidy manokana ho toerana fanombohana ity fanentanana sy fandinihana ity noho ny fahasamihafan’ny asan’ny mponina any an-toerana. Tanjona ny fanasongadinana ny tombontsoa azo avy amin’ny fananana fiahiana ara-tsosialy iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny fitsaboana, fisotroan-dronono, sns.). Teo koa ny famoahana vahaolana mifandraika amin’ny zava-misy any an-toerana ahafahan’ireo mpiasa tena mandray anjara sy misoratra anarana ao anatin’ny rafitra no natao. Ankoatra izany ny famelabelarana ny karazana tolotra sy ny fomba fandoavana latsakemboka mifanaraka amin’ny fari-piainan’izy ireo. Liana tamin’ny atrikasa ny vondron’ny mpiasa tena, fikambanan’ny mpandraharaha, manam-pahefana ary niara-nidinika sy nifanakalo hevitra mba hamaritana ny fomba mahomby indrindra hanatonana ireo mpiasa tena sy hanentanana azy ireo. Zava-dehibe ho an’ny mpiasa tena ny fisian’ny fiahiana sosialy, ahafahana mitsinjo ny fahanterana. Eo koa ny fitsinjovana raha sanatria misy tsy fahasalamana. Tsy mbola nisy hatramin’izay ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa miahy tena ka nahaliana ny maro tao amin’ny faritra Anosy ny fisian’izany ankehitriny.

Tatiana A

Partager sur: