Herisetra: Ireo tovovavy miditra amin’ny tokantrano no iharany

Anisan’ny nitondra fanentanana ho an’ny zatovovavy nandritra ny hetsika sehatra ho an’ny zatovovavy tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, niarahana tamin’ny minisitera enina sy ny Unicef, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. “Nampahafantarina azy ireo ny karazana herisetra misy sy ny dingana azo atao raha mitranga izany ao an-tokantrano, na eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpisehatra sosialy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Bernar­dine Rahely. Ao Farafangana no misy ny toeram-piasan’ny sampandraharahan’ny minisitera izay mandray ny fitarainana mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Tafiditra ao avokoa ny herisetra samihafa: fanolanana, vono sy ratra, herisetra ara-tsaina.
Amin’ny ankapobeny, ireo zatovovavy tsy ampy taona efa miditra ao anaty tokantrano no iharan’ny herisetra ara-tsaina. Matetika tsy ampy taona izy niditra tao anaty tokantrano fa rehefa ampy taona izy vao mahatsapa fa herisetra no nahazo azy. Eo koa zaza tsy noraharahin’ny ray aman-dreny, ny ankizy tsy ampy taona efa miasa.
Miisa 20 ny fitorohana isam-bolana voarain’ny sampandraharaha, araka ny fanazavana azo. Mihaino ny fitarainana ny mpisehatra sosialy ary arakaraka izay ny fitarihin-dalana atao avy eo (zandary, tribonaly, toeram-ptsaboana) ary miaraka eny izy ireo. Miha betsaka ny olona sahy mitoroka satria ampy fanentanana ny ao Farafangana.

Vonjy

Partager sur: