Mpamaky trano telo lahy voasambotry ny polisin’ny UIR tao Taolagnaro. Niditra an-keriny tao amin’ny tranombarotra iray tao Tanambao ireo mpandroba. Nidina ifotony ny polisy ka nifanenjehana ireo telo lahy nanao ny asa ratsy.
Mivondrona avokoa ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy eny anivon’ny fokontany maro eto Antananarivo Renivohitra, taorian’ny fisian’ny fandrobana niseholany ny faran’ny herinandro teo. Misafo ny elakelan-trano eny anivon’ny fokontany manara-maso sendra misy tampoka ireo mpanararaotra ireo tanora ireo.
Natolotra ny polisy ireo Cocktail Molotov miisa folo nisy nametraka tao anaty gony teny Ampasanimalo, ny sabotsy 29 septambra teo. Nandritra ny fitokonana ka nisian’ny olona maro nifamezivezy teny an-toerana no nahitana izany.
Tovolahy iray nitondra kodiaran-droa tra-doza tampoka teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina. Niala mpiampita tampoka io mpitondra moto io ka nianjera. Naratra mafy izy saingy tsy nahina ny ainy.




