Voalohany teo amin’ny tantaran’ny rugby malagasy tao anatin’izay 125 taona nahatongavany teto Madagasikara izay, no hany nahazo fanasana manokana avy amin’ny World Rugby ka nampahafantarina izao tontolo izao, ny tantaran’ny baolina lavalava, sokajy vehivavy. Fantatra tany Londres nandritra ny «Mondial 2025», ny lazany.
Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny baolina lavalava malagasy. Raha toa ka efa fantatra teny ambony kianja ny lazan’ny Makis lahy sy vavy. Tamin’ity, nentin’ny Makis Ladies, teny amin’ny tendrony farany ambony ny lazany. Nampahafantarina izao tontolo izao, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tany Angleterre, ny 22 aogositra ka hatramin’ny 27 septambra lasa teo, ny tantaran’ny rugby vehivavy, eto Madagasikara.
Anisan’ny naharesy lahatra ny Federasionina iraisam-pirenena (World rugby) ny tetikasan’ny baolina lavalava malagasy ka nomen’izy ireo fanasana manokana ny Malagasy Rugby hamelabelatra sy hampahalala izany, ho fantatry ny firenena maneran-tany, ao anatin’ilay fandaharanasa «Impact Beyond», ny 23 septambra lasa teo.
Firenena 6 ihany no nisitraka izany fanasana izany. Raha tsiahivina, maro ireo tetikasa natao teto Madagasikara amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny baolina lavalava ho an’ny andriambavilanitra. Tanjona tamin’ity ny fiantraikan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Londres ity, amin’ny rugby vehivavy eto Madagasikara. Anisan’izany, ny eo amin’ny fiarahamonina, ny sosialy, ny tontolo iainana ankoatra ny fanatanjahantena. Nitondra ny fanazavana tany an-toerana, Rajaona Felana, mpitsabo sady tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisionina rugby vehivavy sy i Ando Herimahefa, misahana ny fampiroboroboana sy ny fandrindrana ny rugby vehivavy izay nampahalala misimisy ny lalana nodiavin’ny Makis Ladies sy ny tanjony. Taorian’ny fampahafantarana, maro ireo olona manerana ny vazantany efatra sy ireo mpanao gazety nanantona ny delegasionina malagasy nanadihady lalindalina kokoa ny amin’ny Makis ladies sy ny rugby vehivavy malagasy.

“Rising rugby” sy tetikasa maro
Maroloko ny tetikasa ho an’ny rugby vehivavy natao teto Madagasikara. Anisan’ ireny, ny fiarovana ny tontolo iainana, ka nambolena hazo nandritra ny Andron’ny vehivavy nankalazaina ny 8 marsa lasa teo. Namboly zana-kazo teny amin’ny Park Analamanga, ny tontolon’ny rugby vehivavy malagasy.
Ny “Rising rugby”, nampakarana ny isan’ny mpilalao fa tsy nionona tamin’ireo mpiantsehatra efa nisy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaomisiona ny rugby vehivavy. Napetraka tany amin’ny sekoly izany ka nahazo izany ireo mpianatra avy any Arivonimamo sy ny tany Antsirabe I. Eo koa ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy ny fanafody mampatanjaka. Ny sehatry ny fahasalamana sy ny fitondran-tena koa tsy adino.
Nasiana koa ny pejy tambanjotra an-tserasera, hanatsarana ny sarin’ny Makis ladies. Hahitana ny fiainan’ireo mpilalao rugby sy ny zavatra ataony amin’ny baolina lavalava. Fampahafantarana ny olona fa misy vehivavy manao rugby eto Madagasikara. Mampahalala ireo tombontsoa isan-tokony, ao anaty baolina lavalava. Tsy ny eny ambony kianja ihany fa ety ivelany ihany koa.
Fenitra nanatrika ady hevitra
Nanatrika ny fivorian’ireo mpisehatra an-tsitrapo nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tany Londres ihany koa i Fenitra, kapitenin’ny Makis ladies. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fomba fahitany ny rugby vehivavy eto Madagasikara sy maneran-tany ny tenany ary nitondra ny fomba fijeriny ny lentan’izany, amin’izao fotoana izao.
Ny Makis ladies, izay ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fifanintsanana ho an’ny “World Series Challenger”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7. Fihaonana hatao any Kenya, ny 16 sy 17 novambra ho avy izao. Tamin’ny taon-dasa, nitana ny laharana fahadimy ny Makis ladies.
Ankoatra izay, nanatrika ny fivoriamben’ny “World Rugby” tany an-toerana ihany koa Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.
Nanatontosa :
Tompondaka




