Fiverenana an-dakilasy : Feno fisalasalana ireo mpianatra

Hatry ny omaly, tsy mbola nisy ny filazana ofisialy na mbola mijanona ny fampianarana na efa miverina an-dakilasy ireo mpianatra. Feno fisalasalana, araka izany, ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’ny fanapahan-kevitra horaisina.
Raha ny fifanentanana any anaty fiarahamonina sy amin’ny tambajotra sosialy anefa dia mbola heverina ny hisian’ny fitakiana sy fidinana an-dalambe ataon’ny vahoaka, anio. Mitaintaina ny amin’izany na ireo mpiasa na ireo mpianatra.
Misy ny ray aman-dreny nanapa-kevitra avy hatrany ny tsy handefa ny zanany an-tsekoly mihitsy raha tsy efa milamina ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ireo tanora kosa misalasala ny amin’ny mety tsy fahatongavana raha miverina ny fampianarana.
Eo koa anefa ireo sekoly no nandray fanapahan-kevitra na dia tsy misy aza ny filazana ofisialy ny hanatsahatra mihitsy ny fampianarana aloha man­dra-pitony ny zava-misy. Efa naparitaka tamin’ny ray aman-dreny avokoa ny filazana.
Ny sekoly tsy miankina sasany efa mampiasa ny teknolojia maoderina afaka manao ny fampianarana sy ny fizaran-desona amin’ny alalan’ny internet ary mizara “exercices”. Manara-maso ny mpianatra tsirairay ihany ny mpampianatra amin’ny alalan’izany fomba fiasa izany, toy ny any an-tsekoly.

Tatiana A

Partager sur: