Tsy mahalala ny ho ampitso! Samy mailo amin’ny trangan-javatra miseho ny rehetra. Ao ireo mitsoaka, ao ireo manangona sakafo, ny sasany manohy ny fitadiavana araka izay mety. Nisongadina ny filaharana amin’ny fividianana kojakoja ilaina andavanandro.
Manoloana ny krizy lalovan’ny firenena, maneho fahamailoana ny ankamaroan’ny tokantrano. Filaharana no hita tamin’ireo mpamongady maromaro, omaly, teto Antananarivo. Manangona izay kely takatry ny vola amin’ireo entana ilaina andavanandro hitsinjovana ny vodiandromerika.
Vary, menaka, labozia, sira, siramamy, savony, paty, tatin-jaza, karazana bisky ho an’ny ankizy…. Matahotra ny ho vokatr’ity fandrobana miseho ity mponina ka manao tahiry araka izay tratra.
Na ny mpivarotra iantsenana aza anefa tsy tena sahy mivarotra malalaka ka izany no mahatonga ny filaharana amin’ireo mahasahy manokatra tsena. Teny Anosibe, ny maraina ihany no nanokatra tsena ireo mpamongady noho ny tahotra ny mety hisian’ny fandrobana. Ireo mpiantsena izay milanja entana ihany koa dia miaina amin’ny tebiteby sao misy mihevitra ho avy nandroba.
Mandry tsy lavo loha ny mpivarotra, toy izay koa ny mpividy. Ireo mpivarotra sasany efa nangoron’entana nanakatona tanteraka ny tsena ka namindra izay ambin’entana ho amina toerana azo antoka. Ny sasany koa nivarotra izany mihafina, mandany ny entana ary hampiato ny fivarotana mihitsy aloha mandra-pilamin’ ny toe-draharaha.
Misy amin’ireo mpivarotra no nody any ambanivohitra, nitsoaka ny korontana eto Antananarivo, ka nafoy ny fananana ary lasa amin-tebiteby.
Maro ny fahasimbana tao anatin’ny herinandro izay ary betsaka ireo very fidiram-bola. Anisan’ny lasibatra ireo mpivarotra lehibe ary miraviravy tanana satria tsy misy mpiaro. Manahy mafy ny hisian’ny krizy amin-javatra maro mihitsy ny ankamaroan’ny tokantrano vokatr’izao savorovoro izao. Ireo tsy manana ny hividianana anaovana tahiry kosa dia miaina amin’izay hita anio.
Tatiana A




