Natao sonia omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Ampefiloha, ny fankatoavina ofisialy ny « Référentiel de formation pour le métier de conseiller en orientation scolaire et professionnelle ». Niarahan’ity minisitera ity sy ny Institut européen de coopération et de développement (IECD) amin’ny tetikasa Sesame ny famolavolana azy. « Mifandraika amin’ny fampanatonana ny filana sy ny fahafahan’ ny tsirairay manatontosa ny asa ho an’ny fampananana asa ny tanora no tanjona », hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Mila toroana hevitra ny tanora ahafahany manome vokatra tsara. Mila trandrahina koa ny talentan’izy ireo. Mitantana sy miara-miasa amin’ny tanora sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika manampy amin’ny fametrahana Référentiel de formation eto Madagasikara ny IECD. 15 taona ny IECD izay misahana ny tetikasa Sesame. Manampy mba hahay hisafidy ny fianarana sy ny asa hataon’ireo tanora. Ilaina ny fanofanana ny tanora hisafidy ny asa aty am-piandohana. Efa manana olona misahana ny Conseil en insertion et orientation professionnel ny minisitera fa androany no napetraka ny fomba fanofanana azy ireo hanaraka ny fenitra. Enim-bolana ny famolavolana ny Référentiel niarahan’ny teknisianina avy ao amin’ny minisitera sy ny IECD. Andrasana ny didy fampiharana hanatsarana ny tolotra ho an’ny tanora malagasy.
Vonjy




