INDRAY MIJERY

Tsy ho marin-toerana ny habaka, amin’ny an­ka­pobeny. Ambony ny herijika hisiana orana tandrifindrahona mety arahin-kotroka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Manan-kery hatramin’ny anio ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano any amin’ny morontsi­raka atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy.

Hanorana tandrifindrahona vitsy mety arahin-kotroka ny afovoantany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy, anio. Hiitatra any amin’ny ilany andrefana izany, ny fisasahan’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato koa any Sava, Ambatosoa ary Analanjirofo, hisy fidinana ny maripana ambony saika manerana ny Nosy, amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manoloana ny herijika hisian’ny orana tandrifindrahona amin’ny faritra maro, entanina ny tsirairay hanangona ranonorana.

Nifantoka tamin’ny fanokafana indray ireo ivontoeram-pampiofanana efa tsy niasa nandritra ny fo­toana ela ny ezaka nataon’ny minisiteran’ny Fampia­narana teknika tamin’ity volana ity, rehefa avy nanao tombana.

Partager sur: