Volley-Mada 1D : Nanao pao-droa ny GNVB

Nanao pao-droa indray ny ekipan’ny Zandarimariam-pire­nena, taranja volley-ball, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy “1ère division”, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Norombahin’ny GNVB avokoa ny fandresena teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tamin’ity fifaninanana ho an’ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manaporofo ny maha kalaza sy ekipa goa­vana azy ireo izao vokatra izao, izay tsiahivina fa vao tsy ela akory
no nanao pao-droa teo amin’ny sokajy latsaky 14 taona sy 16 taona, ny GNVB , ny volana aogositra lasa teo. Raha hivere­nana ny vokatra tamin’ny lalao famaranana ka nahazoana izao fandresena izao, lavon’ny GNVB, sokajy vehivavy, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny ekipan’ny Squad. Ekipa matanjaka ity farany ary tsiahivina fa efa nandresy ny GNVB tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Teo amin’ny lehilahy koa, adin’ny samy Zandary no nitranga, ka resin’ny GNVB 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 ny GNVB 2. Tsiahivina fa efa mamarana ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pikatrohana 2025 ny Federasionina malagasin’ny volley-ball.

Mi.Raz

Partager sur: