Zandary roa namoy ny ainy, omaly, rehefa tonga teny amin’ny Hopitaly militaire etsy Soavinandriana. Avy niasa teny amin’ny parvis Analakely ireo zandary telo lahy, afakomaly alina, ary narary tampoka. Sempotra ary nitarika tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena ny fitrangan’ny aretina. Mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray hafa. Tombanana ho fahapoizinana ara-tsakafo ny nahazo azy ireo, raha ny fantatra.
Vehivavy malagasy iray nahatrarana zava-mahadomelina (cannabis) milanja 62 grama tany amin’ny seranam-piaramanidina Plaisance, ny sabotsy lasa teo. Nikasa hihazo ny sisin-tany maitso izy no tratran’ny mpiasan’ny ladoany. Nopotehina sy natao tao anaty plastika roa ireo rongony ireo. Efa nosamborina ary notanana am-ponja vonjimaika eny amin’ny biraon’ny polisy any Vacoas izy.
Lehilahy iray mpitondra moto nifandona tamin’ny posy mpitondra bidon feno rano tetsy Anosibe, omaly maraina. Nifanesika niditra ny Rond point ilay posy sy ilay mpitondra moto. Vokany, voatsindry tao ambanin’ny posy ny lehilahy nitondra sy ny moto nentiny. Tsy naratra fa tafatsangana ihany ilay nitondra moto.
Sivily sivy sy zandary telo maty tany amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo, afakomaly maraina. Nifanehatra tamin’ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny zandary sy ny fokonolona. Raikitra ny fifanjevoana ka maty nandritra izany ireo zandary sy sivily ireo. Am-polony ireo naratra, izay nahitana zandary iray hafa ihany koa.




