Sendikan’ny fahasalamana : Tsy fialokalofan’ny mpanao ratsy

Navoitran’ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana fa asa masina ny asa fitsaboana ary tanterahina am-pitiavana tanteraka ny adidy sy andraikitra. Mitambatra ao anatin’ireo mpiasan’ny fahasalamana na ny dokotera na ny paramédicaux na ny infirmiera na ny rasazy sy ny mpiasa anaty birao mampihodina ny ara-teknika sy ny fitantanan-draharaha.

Mahakasika ny sendikà izay mijoro maromaro, tsy natao hialokalofan’ireo mpanakorontana sy mpanao ratsy izy ireny fa natao hiaro ny zo sy ny tombontsoa iraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Tsy afaka ny hisolo tena sy hisolo vava ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana an’i Madagasikara ireo olom-bitsy manakana ireo mpiasa tsy hanao ny asanay antsakany sy andavany amin’ny fitsaboana ny mpiara-belona.

“Izahay mpiasan’ny fahasalamana dia manaja ny fianianana sy voady izay natao amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary tsy ankanavaka sy ireo izay mila tolotra ara-pahasalamana amin’ny fotoana rehetra”, hoy izy ireo nanamafy ny toky nomeny.
Manaporofo izany indrindra ny fanatanterahany ny asany toy ny andavanandro na misy ny hetsika na tsy misy ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: