Vokatry ny baomba : Mitaraina ireo manana marary

Manoloana ny fihetsiketsehana ka andefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso, velon-taraina ireo manana marary, na any an-trano na any amin’ny hopitaly. Manaiki-maso, ma­nempotra, mampikohoka ary manafotra mihitsy aza ny herin’ny entona aterak’ilay baomba. Tsofin’ny rivotra ary tafiditra any amin’ny efitrano fitsaboana marary, any amin’ny hopitaly ilay entona ka tena tsy zakan’ny marary.
Tena lasibatra ireo zaza sy ankizy madinika na ireo efa manana fahasarotana amin’ny taovam-pisefoana vokatr’izany. Miverina mampiasa oxygène ireo efa mba nahitana fahatsarana ary lasa tsy mahatsiaro tena mihitsy aza ny sasany.
Mitaraina, araka izany, ny marary sy ny fianakaviana mi­karakara marary ka mangataka ny tokony hanajana ny faritra tsy hanapoahana ireny baomba ireny. Eo koa ny tabataba ataon’ny mpanao fitakiana izay manakorontana ny marary mila fitoniana sy mikatsaka fahasalamana any amin’ireny hopitaly ireny.
Etsy andaniny, miraviravy tanana ny dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ireny hopitaly ireny. Tsy afa-miteny noho ny antony maro fa manohy hatrany kosa ny vonjy aina sy ny fitsaboana izay efa nanaovany fianianana.
Tsy mbola fantatra ny fiafaran’ny fitakiana ka miandry ny rariny ireo marary. Manan­tena kosa fa tsy hisy intsony ny fanapoahana baomba ma­nakaiky ny toeram-pitsaboana.

Tatiana A

Partager sur: