Nandray ny toerany amin’ny maha tale jeneraly misahana ny sekoly (DGES) eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena azy i Manolozato Clémentine Vola, omaly. Hanohy ny asa efa natomboka momba ny fitantanana ny sekoly ny tenany.
Nandray ny foibem-pitondrany ihany koa Ranosy Eliane, amin’ny maha tale jeneraly eo anivon’ny ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana ny fitaovam-pianarana sy ny fitaovam-pampianarana, mba hahafahana mampiroborobo hatrany ny fanarenana ny Cnapmad.
Mbola betsaka ireo sekoly manidy trano ho fitandroana ny ain’ny mpianatra sy ny mpampianatra, omaly, ho an’ny manakaiky an’Analakely sy ny manodidina. Namerina an-dakilasy tsikelikely ny mpianany kosa ireo sekoly sasany tamin’ny kaominina ivelan’ Antananarivo.




