“CAN 2025” : Nitombo ny lelavola ho azo

Namoaka tao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) fa hampitomboina ny lelavola homena ny ekipa mandresy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025). Araka izany, hahazo 7 tapitrisa dolara ny ho tompondaka raha 4 tapitrisa ny faharoa. Samy hotolorana 2, 5 dolara daholo kosa tonga eo amin’ny manasa-dalana.
Tsy izay ihany fa mbola hahazo 1, 3 tapitrisa dolara ho an’ny ampahefa-dalana, raha 80 000 dolara ny dingana ampahavalon-dalana. Ny fahatelo isam-bondrona, homena 700 000 dolara raha hahazo 500 000 dolara ny fahefatra. Tafita amin’ny ampahavalon-dalana ny roa voalohany isam-bondrona raha mihintsana kosa ny 2 farany.
Tsiahivina fa hatao any Maroc ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, ny 21 desambra 2025 ka hatramin’ny 18 janoary 2026. Tsy anisan’ireo mandray anjara amin’ity ny Barean’i Madagasikara. Hiatrika izany kosa i Comores, izay tafara-bondrona amin’ny mpampiantrano. Comores sy i Maroc rahateo no hanokatra ny lalao amin’ity “Can 2025” ity.

Tompondaka

Partager sur: