Malagasy mpitsara baolina kitra no notendren’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf), hitsara ny lalao hifanandrinan’i Tunisie sy Sao Tome et Principe. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, faritra Afrika, vondrona H. Hotanterahina ny zoma 10 oktobra, ao amin’ny Stade Hammadi Agrebi, Radès Tunisie. Mpitsara afovoany Rakotojaona Andofetra Avombintana. Hisahana ny eny an-jorony kosa Andriatianarivelo Dimbiniaina sy Ibenantenaina Brudo Romuald. Mpitsara fahefatra, Zafimahatoka Arnaud.
Teratany Benenoà, i Toupe Benoit, no mpitsara mpanampy ary ny kaomiseran-dalao, i Koyakobo Jean Marie, Centrafrique. Tsy olom-baovao amin’ny fitantanana lalao iraisam-pirenena toy izao ry zalahy fa efa manana traikefa amin’izany. Efa betsaka ireo fihaonana afrikanina natrehin’izy ireo.
Anisan’izany i Andofetra izay efa nitsara lalao tamin’ny Can. Toy izany koa i Dimbiniaina. Raha tsiahivina, mitarika amin’ity sokajy ity i Tunisie, manana isa 22, ary efa nahazo ny tapakila hiatrehana “Mondial 2026”. Farany kosa i Sao Tome et Principe, tsy mbola nahazo fandresena mihitsy ary efa naman’ny mangoron-damba. Heverin’ny rehetra fa tsy haharesy an’i Tunisie ry zareo Sao Tome amin’ity noho ny herijikan’ny ekipa roa tonta.
Tompondaka




