FMBM: Miezaka miarina taorian’ny faharavana

Anisan’ny voaroba ary nodorana mihitsy ny foiben’ny Fikam­banana mampiely Baiboly(FMBM). Maro ny fahara­vana, saingy an-dalam-panarenana ny ekipa amin’izao fo­toana.
Mifarimbona amin’izy ireo ny tsara sitrapo sy ny avy amin’ ny fikambanana mpiara-mamaky Baiboly amin’ny fanadio­vana sy ny famerenana amin’ny laoniny indray ity foiben- toerana ity.
Maro ny kristianina tohina tamin’ny faharavana sy ny fahasahian’ireo mpandroba.
Marihina fa ny FMBM dia iarahan’ny fiangonana sy fikambanana kristianina eto Madagasikara  mitantana hoeti-mampandroso ny fampielezana ny Soratra Masina.
Efa tamin’ny 21 jona 1965 no niorina ny fikambanana. Haha­fantarana azy ireo koa ny fandikana sy ny fanontana ary ny fivarotana ny Baiboly sy boky hafa na trakta momba ny Baiboly amin’ny teny malagasy.
Nisongadina ny fanontana printy ny Baiboly protestanta amin’ny teny malagasy (atao hoe Ny Baiboly) sy ny Bai­bo­lin’ny firaisam-pinoana (atao hoe Dikan-teny iombonana eto Madagasikara na Diem).

Tatiana A

Partager sur: