Barean’i Madagasikara : Tsy ao anaty lisitra i Hakim sy i Marcellin

Namoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra. Maromaro ireo mpilalao teo aloha no tsy tazana ao anaty lisitra. Anisan’izany i Hakim Abdallah sy i Jean Marcellin ary i Van Boto. 4 ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana.

Noho ny toe-draharaha misy eto an-toerana, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, no namoahan’i Corentin Martins, mpanazatra, ny anaran’ireo mpilalao hiatrika ny andro fahasivy sy fahafolo. Tafiditra ao anaty fifanintsanana hiadian-toe­rana ho an’ny “Mondial 2026”, vondrona “I”.
24 ireo nantsoiny, ka 4 ihany ireo avy eto an-toerana. Maromaro ireo tsy ao anaty lisitra, toa an’i Kenji Van Boto, Hakim Abdallah, Demoleon, Jean Marcellin. Efatra ny mpiandry tsatoby nentina hatramin’izay, 3 ihany amin’ity. Hatao ny 8 oktobra ho avy izao, ao amin’ny Stade Felix Houphoet-Boigny, Côte d’Ivoire, ny fihaonana amin’i Comores. Ny 12 oktobra, ao amin’ny Stade du 26 marsa, Bamako, ny lalao ifanandrinana amin’i Mali. Tsiahivina fa laharana faharoa vonjimaika ny Barea, manana isa 16. Fahatelo i Comores, nahazo isa 15, ary fahefatra i Mali, isa 12. Mitarika i Ghana, manana isa 19.

Tompondaka

Ireo Barea 24 mirahalahy

Mpiandry tsatoby : 1- Toldo (Elgeco Plus) ; 2-Nina (AS Marsouins) ; 3-Dupire (FC Swift Hesperange)

Vodilaharana : 4-Tremoulet (FK Radnik Surdulika) ; 5-Eshan Kari (Etoile FC) ; 6-Andy Pelmard (Jagiellonia) ; 7-Tony (Elgeco Plus) ; 8-Morgan (FC Fleury) ; 9-Ponty (Rodez Aveyron) ; 10-Nicolas (Al Merreikh) ; 11-Rado (AS Fanalamanga)

Irakiraka : 12-Marco (Standard de Liège) ; 13-Mamisoa (Elgeco Plus) ; 14-Couturier (Thionville) ; 15-Rayan (Young Boys) ; 16-La­laina (Paradou AC) ; 17-Johan N’Zi

Lohalaharana : 18 – Tommy Iva (Stan­dard de Liège) ; 19- Arnaud (El Gouna FC) ; 20-Njiva (Ratchaburi FC) ; 21-El Hadary (Valenciennes) ; 22-Warren Caddy (Stade Lausanne) ; 23-Brayan Adinany (Lierse SK) ; 24-Fenohasina (Al Merreikh).

Partager sur: