Muay Thai-Afrika : Hisolo tena ny Malagasy i Olga

Anisan’ny mitondra fampandrosoana ho an’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fanatanterahana fifaninanana matihanina. Nisy ny “Muay Thai Tournament 2” farany teo, izay natao teny amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina, ka nahitana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpikatroka. Noho io fahaiza-manao mihatsara io, voaantso handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, hatao atsy Maorisy, ny 18 oktobra izao, i Madagasikara. Hifaninana eo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy, i Olga. Raha tsiahivina, i Olga no voahosotra ho tompondaka nandritra ny “Muay Thai Tournament 2”, ka izy no hisolo tena an’i Madagasikara, araka ny fanazavana nentin’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny Muay Thai, Razanajatovo Gildas. Nohamafisiny fa efa ma­nomboka mandroso ity taranja ity eto Madagasikara ary hanomboka hivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miantso ny fanohanana avy amin’ny rehetra ny Maître Gildas hahafahan’i Olga mandray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hotanterahina any Maorisy, ny 18 oktobra izao ity.

Mi.Raz

Partager sur: