Efa manomboka misokatra ireo tranombarotra lehibe sisa tsy voaroba, miezaka manome fahafaham-po ireo mpanjifa ao aminy. Ireo tranombarotra simba vokatry ny fanafihana sy fandrobana kosa dia mbola tsy maintsy mikatona ary miezaka mamerina azy ireny amin’ny laonininy ny tompony.
Maro ireo caddies sy harona fiantsenana very teny amin’ireo tranombarotra voaroba. Manao antso amin’ny fiarahamonina manodidina izy ireo mba hampandre raha mahita izany, na hamerina izany satria tsy ho azo ampiasaina ay an-tokantrano akory ireny fitaovana ireny. Tsy natao ho fampiasana amin’ny fanaovana sakafo ny vy amin’ny caddies ka mety hampidi-doza ho an’ny fahasalamana, satria misy akora simika. Ny tsy fisian’ireo fitaovana ireo dia manasarotra ny fiverenan’ny tranombarotra hiasa ara-dalàna indray.
Misy amin’ireo mpianatry ny sekoly ampitain-davitra ao amin’ny CNtemad no mangataka ny fanemorana ny datin’ny fanadinana andiany voalohany noho ny tsy fahafahana mifantoka manoloana ny korontana eto an-tanàna. Maro ihany koa ireo mpianatra tsy mbola nahazo boky noho ny antony samihafa.




